sp3m

Alatsinainy
Ny fanatrehany mamonjy

TSY NILAZA TAMINTSIKA FOTSINY NY TOKONY HO FOMBA FIAINANA JESOSY, FA NANOME OHATRA IZY

Iray amin’ireo fahamarinana mahagaga hitantsika ao amin’ny Baiboly ny hoe: Andriamanitra dia tsy maniry fotsiny hitoetra eo amin’ny vahoakany fa maniry ho isantsika mihitsy. Na dia Mpamorona ny lanitra sy ny tany aza Izy, dia maniry hifandray amim-pitiavana amin’ireo voaarin’ny Tanany. “ Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany:"Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena,hamelombelona ny fanahin'ny manetry tenasy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo” - Isa. 57:15.
Ankehitriny, dia mihanaka hatraiza hatraiza ny tsy finoana manohitra an’Andriamanitra.

Teo aloha dia nianina tamin’ny fisalasalana mangina ireo tsy mpino; ankehitriny dia amin’ny fomba mahery vaika no anambarany fa tsy misy Andriamanitra ary ihomehezany ny Krisitianina sy ireo rehetra mpanara-dia fivavahana. Anisan’ireo feo mitarika manambara
ny tsy finoana an’Andriamanitra ireo i Richard Dawkins, Christopher Hitchens, Sam Harris, ary Daniel Dennett. Mahaliana ny mahafantatra fa i Anthony Flew, izay nametraka ny tokony hodinihana amin’ny tsy finoana an’Andriamanitra nandritra ny 50 taona, dia nandalo fiovam-po ara-pilôzôfia taty amin’ny fiafaran’ny fiainany. Ny boky nosoratany There Is a God: How the World’s Most Notorious Atheist Changed His Mind (Misy Andriamanitra: Fomba Niovan’ny Sain’ny Tsy Mpino an’Andriamanitra Ngezalahy Maneran-tany), izay nivoaka tamin’ny 2007, dia nanafintohana indrindra ireo mpiara-niasa taminy taloha. Kanefa ho an’ireo izay nahafantatra an’i Jesôsy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany, na dia ny fonjan-kevitra toy ny an’i Flew, izay mety hanampy amin’ny tontolo-kevitra sasantsasany, dia tsy ilaina. Fantatsika fa misy Andriamanitra satria mahafantatra Azy amin’ny maha-Namantsika Azy isika. “Ary miara-nandeha amiko Izy, sy mifampiresaka amiko Izy; ary milaza amiko Izy fa Azy aho; ary ny fifaliana hifampizarànay raha mifandray akaiky izahay, dia tsy misy na iray aza nahafantatra izany velively” - C. Austin Miles, “In the Garden”.

Ny Baiboly manontolo, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apôkalipsy, dia maneho io fahamarinana momba an’Andriamanitra izay mahita fahafinaretana amin’ny maha-naman’ny olombelona Azy io.

Niara-nandeha sy niresaka tamin’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha Izy. Niara-nandeha sy niresaka tamin’i Abrahàma sy ireo patriarika Izy. Ary rehefa nitarika ireo foko 12 nivoaka avy tany Egipta ho eo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay Izy, dia nibaiko an’i Mosesy Izy nanao hoe: “Ary asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.” - Eks. 25:8.

Nahita sy nandre ireo kotroka sy tselatra ary feon-trômpetra avy ao amin’ny tendrombohitra masina ny Isiraelita. Fantatr’izy ireo fa tena misy Jehôvah - tao Sinay Izy - ary dia natahotra izy ireo. Ankehitriny Andriamanitra dia maniry ny ho akaikikaiky kokoa azy ireo, amin’ny fomba izay mitaona azy ireo ho eo
amin’ny fanatrehany. Hitoetra ao amin’ny lay anankiray Izy.

Nomen’Andriamanitra an’i Mosesy ny planin’ny Tabernakely, ary namboatra izany an-tsipiriany ireo Isiraelita. Voamboatra tamin’ny fomba tsara tokoa izany: tamin’ny
volamena, volafotsy, vato sarobidy, ary lamba samihafa loko. Satria natao hoentina mandehandeha izany, dia natao kelikely. Efajoro ny efitra masina indrindra: 10 hakiho ny lafiny rehetra; ny efitra masina kosa: indroa amin’ny habeny, 20 hakiho ny lavany ary 10 hakiho ny sakany.

Eritrereto ange izany - ilay Andrianan’ny lanitra, Mpahary izao tontolo izao, nanaiky hidina hitoetra ao anaty lay! Tandindon’ny Fanatrehan’Andriamanitra Ho an’ny Isiraelita, ny fitoerana masina no ivon’ny fiainan’izy ireo manontolo. Ny toetoetra maha-vahoaka manokana nofidin’Andriamanitra azy no mifototra ao.

  Ny fitoerana masina no toeram-pialofana. Tao ny voninahitry ny Shekinah – izay mampiseho ny fanatrehan’ny Tompo mihitsy - dia niseho teo anelanelan’ny kerôbima ao amin’ny efitra masina indrindra. Niaraka tamin’ny tabernakely teo anivon’izy ireo sy nialoha lalana azy nandritra ny diany, dia nieren-doza izy ireo, voaaro tamin’ireo loza nety ho natrehiny.

An-jaton-taonany maro taty aoriana, rehefa tafatoetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, dia mbola nijery ny fitoerana masina ho toeram-pialofana izy ireo, araka ny vavaky ny mpanao salamo hoe: “Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona” - Sal. 20:2.

Toeram-pianarana koa ny fitoerana masina. Natetika i Mosesy no nankao amin’ny trano lay fihaonana mba hiresaka amin’Andriamanitra.

Tao Andriamanitra no nanome azy torohevitra hitarihana ny vahoaka. Rehefa niverina tao an-toby i Mosesy, dia namirapiratra ny tavany ary tsy nahatanty nijery azy ny vahoaka, koa noho izany “rehefa vita ny teny nataon’i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.” - Eks. 34:33.

Toeram-pitarihana avy amin’Andriamanitra ny fitoerana masina. Nandritra ny fotoana rehetra naha-tany an’efitra ny zanak’i Isiraely, dia nisy rahona teo ambonin’ny fitoerana masina nandritra ny andro, ary andri-afo nanazava nandritra ny alina. Rehefa niainga ny andri-rahona na ny andri-afo, dia nandrava ny toby ny vahoaka ary nanaraka izany.

Rehefa tonga ny fotoana hijanonana, dia nanorina ny lainy izy ireo. “Ary Jehôvah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fanazavana azy, handehanany andro aman-alina.” (Eks. 13:21).

Toeram-panompoam-pivavahana ny fitoerana masina. Ny taona masina ho an’ny Isiraely dia niverimberina sy nihodina nanaraka ireo fety isan-karazany - Paska, Voaloham-bokatra, Trômpetra, Andro Fanavotana, sy fetin’ny Tabernakely - ary ho an’ny tsirairay amin’izy ireo dia manana anjara toerana lehibe ny fitoerana masina.

Farany, toeram-pamelan-keloka ny fitoerana masina. Teo no nitondran’ny mpanota ny sorona - zanak’ondry, osilahy, vorona - mba hoentina eo amin’ny mpisorona ho fanatim-panavotana. Tamin’ny alalan’ny fitoerana masina ny famelan-keloka.

Tsy mahagaga raha noheverin’ny Isiraely ho sarobidy loatra ny fitoerana masina. An-taonany maro taty aoriana, rehefa noravan’ny tafika fahavalo ny Tempoly izay nisolo toerana ny trano lay tany an’efitra, dia izany no faharesena lehibe indrindra ho azy ireo, ary loza ratsy indrindra azo heverina. (Jereo Sal.74:1-7).

Tsy manana fitoerana masina eto an-tany isika ankehitriny, izay ahafahantsika mitady ny fanatrehan’Andriamanitra. Kanefa tsy navela ho maty antoka isika: manana ny fitoerana masina any an-danitra isika, izay idirantsika amim-pinoana (Heb. 10:19-22). Ary manana an’i Jesôsy isika. Ilay Andriamanitra izay naniry fatratra hitoetra miaraka amin’ny foko 12 ka nibaiko azy ireo hanorina fitoerana masina dia nandeha lavitra kokoa noho izany - lavitra kokoa, lavitra kokoa! Naka ny endriky ny olombelona Izy. Tonga nofo aman-dra, iray amintsika.

“Fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika”, hoy ny faminanian’i Isaià. “Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe: Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Andrianan’ny Fiadanana.” - Isa. 9:6.

Nanoratra ny Aminy i Jaona, ilay mpianatra malala: “Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina [ara-bakiteny: “nanangana ny lainy”] tamintsika, (ary hitanay ny voninahiny . . .) feno fahasoavana sy fahamarinana.” - Jao. 1:14. Io Lehilahy io, Izay tsy nanana ny zavatra mahafinaritra fampiasan’ny olona hisarihana ny fahalianana ho eo aminy -

 

harena, laza, hery, fahaizana, hery miasa mangina - dia Andriamanitra tonga nofo. Izy no Imanoela, “Amintsika Andriamanitra.” - Mat. 1:23.

I Jesôsy no Mpisoronabentsika, manao asa fanompoana ho antsika eo amin’ny fitsarana any an-danitra. Izany fitoerana masina any an-danitra izany, izay tsy nataon’ny tanan’olombelona sy be voninahitra mihoatra noho izay azontsika eritreretina, izany no tena fitoerana masina, fa ny trano lay tany an’efitra izay nalain-tahaka tamin’izany dia fanehoana kely fotsiny ny endriny - “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra.” - Heb. 8:5.
Hianarantsika lalindalina kokoa aoriana kely, amin’ity herinandro ity, ny omba izany fitoerana masina izany sy ny asan’i Jesôsy ao aminy. Tahaka ny nahitan’ny zanak’i Isiraely ny toetoetrany manokana tao amin’ny trano lay tany an’efitra amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra azy, dia toy izany koa no ahazoantsika mijery ny Mpisoronabentsika mba hitadiavana fialofana, fampianarana, tari-dalana, fanompoam-pivavahana, ary famelan-keloka.

Ary mbola misy mihoatra noho izany! Nitoetra teto amintsika nandritra ny fotoana fohy i Jesôsy, 33 taona teo ho eo. Kanefa nialohan’ny nialany teto, dia nampanantena Izy fa haniraka ny Mpampahery, ny Fanahy Masina: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.” - Jao. 14:18.

Manohy ny asa fanompoana feno fitiavana nataon’i Jesôsy ny Fanahy Masina. Mitarika antsika ho amin’ny marina rehetra Izy (Jao.16:13). Mampahatsiaro antsika ireo fampianaran’ny Mpamonjy Izy (Jao. 14:26). Mampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana Izy (Jao.16:8-11). Ary ny tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra, dia miaraka amintsika Izy! Tsy mila manatona tempoly anankiray isika vao hahita an’Andriamanitra. Tsy mila manao fivahiniana masina any amin’ny toerana lavitra isehoan’ny fanatrehan’Andriamanitra isika.

Efa eto Andriamanitra, eto mihitsy. Amintsika Andriamanitra!

Mialoha kely ny nandaozan’i Jesôsy antsika, dia nampanantena Izy hoe: “(...) indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” - Mat. 28:20. Nijoro ho vavolombelona ny amin’izany ny Apôstôly Paoly nanao hoe: “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” - Gal. 2:20.

Ry namako malala, afaka miombona amin’i Paoly amin’io fijoroana ho vavolombelona io ve ianao? Fantatrao ve fa velona ao anatintsika i Jesôsy? Miaraka aminao ve Izy, araka ny nampanantenainy?

 

Fahiny elabe dia nivavaka toy izao i Mosesy: “Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao?

Moa tsy ny handehananao miaraka aminay va? Dia voàvaka amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.” - Eks. 33:16. Tahaka izany koa no nitarainan’i Davida nanao hoe: “Aza manary ahy hiala eo anatrehanao (...)” - Sal. 51:11.

Raha nanalavitra an’Andriamanitra ianao, ataovy io vavak’i Davida io. Te hitoetra ao aminao Andriamanitra. Maniry mafy Izy mba hahafantaranao ny fanatrehany mamonjy. Te ho fialofana ho anao Izy, ho mpitari-dalana anao, ho mpampianatra anao, ho Mpamonjy anao, ho Tomponao!


         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Amin’ireo zavatra dimy nasehon’ny fitoerana masina teto an-tany - fialofana, fampianarana, fitarihana avy amin’Andriamanitra, fanompoam-pivavahana, sy famelan-keloka - iza amin’ireo no ilaina indrindra ao amin’ny fiaraha-monina misy anao? Ahoana no hanomezanao izany?

2. Raha te haneho ny asa fanompoan’i Kristy tonga nofo eo amin’ny fiaraha-monina misy anao hianao, ho hafa manao ahoana re ny fiainanao?

3. Amin’ny fomba ahoana no isehon’ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao amin’ny maha-isam batan’olona sy amin’ny maha-fiangonana?

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.